Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 32:34-40 Malagasy Bible (MG1865)

34. Ary ny taranak'i Gada nanao an'i Dibona sy Atarota sy Aroera

35. sy Atrota-sofana sy Jazera ary Jogbeha

36. sy Beti-nimra sy Beti-harana, tanàna mimanda, ary vala ho an'ny ondry.

37. Ary ny taranak'i Robena nanao an'i Hesbona sy Elale sy Kiriataima

38. sy Nebo sy Bala-meona (nefa novana ny anaran'ireo) ary Sibma; ary nasiany anarana vaovao ny tanàna izay nataony.

39. Ary ny taranak'i Makira, zanak'i Manase, nankany Gileada ka nahafaka azy, dia nandroaka ny Amorita izay nonina teo.

40. Ary Gileada dia nomen'i Mosesy an'i Makira, zanak'i Manase, ka nonina tao izy.

Vakio ny toko manontolo Nomery 32