Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 32:3-12 Malagasy Bible (MG1865)

3. Atarota sy Dibona sy Jazera sy Nimra sy Hesbona sy Elale sy Sebama sy Nebo ary Beona,

4. ireo tany noresen'i Jehovah teo anoloan'ny fiangonan'ny Isiraely, dia tany tsara ho fiandrasana omby aman'ondry, ary ny mpanomponao manana omby aman'ondry;

5. dia hoy koa izy: Raha mahita fitia eo imasonao izahay; aoka homena anay mpanomponao ho zara-taninay io tany io; fa aza ampitaina an'i Jordana izahay.

6. Dia hoy Mosesy tamin'ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena: Ny rahalahinareo handeha hanafika, ka ianareo kosa hijanona eto va?

7. Nahoana ianareo no mampiketraka ny fon'ny Zanak'Isiraely, mba tsy handehanany ho any amin'ny tany izay nomen'i Jehovah azy?

8. Izany no nataon'ny rainareo, fony nirahiko avy tao Kadesi-barnea hisafo ny tany izy;

9. fa raha niakatra hatrany an-dohasaha Eskola izy ka nahita ny tany, dia nampiketraka ny fon'ny Zanak'Isiraely izy, mba tsy handehanany ho any amin'ny tany izay efa nomen'i Jehovah azy.

10. Ary nirehitra ny fahatezeran'i Jehovah tamin'izay andro izay, dia nianiana Izy ka nanao hoe:

11. Ny olona izay niakatra avy tany Egypta, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia tsy hisy hahita ny tany izay efa nianianako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy, satria tsy tanteraka tamin'ny fanarahana Ahy izy;

12. afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone Kenizita, sy Josoa, zanak'i Nona, izay tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah.

Vakio ny toko manontolo Nomery 32