Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 32:16-31 Malagasy Bible (MG1865)

16. Ary dia nanatona azy izy ireo ka nanao hoe: Hanao vala eto izahay ho an'ny omby aman'ondrinay sy tanàna koa ho an'ny zanakay madinika;

17. fa ny tenanay dia hiomana faingana handroso eo alohan'ny Zanak'Isiraely mandra-pitondranay azy ho any amin'ny taniny; ary ny zanakay madinika dia hitoetra amin'ny tanàna mimanda noho ny mponina amin'ny tany.

18. Tsy hody any an-tranonay izahay, mandra-pahazon'ny Zanak'Isiraely ny zara-taniny avy.

19. Fa tsy hiara-mandray zara-tany aminy izahay hatrany an-dafin'i Jordana no ho miankandrefana, satria efa azonay atỳ an-dafy atsinanan'i Jordana atỳ ny zara-taninay.

20. Dia hoy Mosesy taminy: Raha hanao izany zavatra izany ianareo ka hiomana eo anatrehan'i Jehovah ho any an-tafika,

21. ary rehefa samy efa voaomana hiady, dia hita ho any an-dafin'i Jordana eo anatrehan'i Jehovah, mandra-pandroakany ny fahavalony hiala eo anoloany,

22. ka ho resy eo anatrehan'i Jehovah ny tany; ary rehefa vita izany, dia hody ianareo ka tsy hanan-tsiny, na amin'i Jehovah, na amin'ny Isiraely; ary ity tany ity ho zara-taninareo eo anatrehan'i Jehovah.

23. Fa raha tsy hanao izany kosa ianareo, dia manota amin'i Jehovah; ary aoka ho fantatrareo fa hanody anareo ny fahotanareo.

24. Manaova tanàna ho an'ny zanakareo madinika sy vala ho an'ny ondry aman'osinareo, ka ataovy izay naloaky ny vavanareo.

25. Dia niteny tamin'i Mosesy ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ka nanao hoe: Ny mpanomponao dia hanao araka izay andidianao, tompoko:

26. ny zanakay madinika sy ny vadinay sy ny ondry aman'osinay ary ny biby fiompinay rehetra dia hitoetra ato amin'ny tanànan'i Gileada;

27. fa ny mpanomponao handeha hita, samy efa voaomana hiady eo anatrehan'i Jehovah, ho any an-tafika, araka izay nolazainao, tompoko.

28. Ary Mosesy dia nandidy an'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ny amin'ireo

29. ka nanao taminy hoe: Raha handeha hita an'i Jordana hiaraka aminareo ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena, samy efa voaomana hiady eo anatrehan'i Jehovah, ka ho resy ny tany eo anoloanareo, dia homenareo azy ny tany Gileada ho zara-taniny;

30. fa raha tsy mandeha samy efa voaomana hiady miaraka aminareo Izy, dia eo aminareo amin'ny tany Kanana ihany no hahazoany zara-tany.

31. Dia namaly ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ka nanao hoe: Araka izay nolazain'i Jehovah tamin'ny mpanomponao no hataonay:

Vakio ny toko manontolo Nomery 32