Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 31:9-18 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary ny Zanak'Isiraely namabo ny vehivavy Midianita sy ny zanany madinika; ary nobaboiny avokoa ny biby fiompiny rehetra sy ny omby aman'ondriny rehetra ary ny fananany rehetra.

10. Ary ny tanànany rehetra izay teo amin'ny fonenany sy ny tobiny rehetra dia nodorany tamin'ny afo.

11. Ary nalainy avokoa ny babo rehetra, na olona na biby fiompy,

12. dia nentiny tany amin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely teo an-toby, teo Arbota-moaba, izay eo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.

13. Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan'ny fiangonana rehetra nivoaka hitsena azy teo ivelan'ny toby.

14. Ary tezitra tamin'ny mpifehy ny miaramila Mosesy, dia tamin'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, izay avy tany an-tafika,

15. ka hoy izy taminy: Nahoana no novelominareo ny vehivavy rehetra?

16. Ireo ihany no nampahadiso ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah ny amin'i Peora, araka ny tenin'i Balama, ka nahazo ny fiangonan'i Jehovah ny areti-mandringana.

17. Koa ankehitriny, vonoy ny zazalahy madinika rehetra, ary vonoy koa ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy.

18. Fa ny zazavavy rehetra izay tsy mbola nahalala lahy dia velomy ho anareo.

Vakio ny toko manontolo Nomery 31