Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 31:14-20 Malagasy Bible (MG1865)

14. Ary tezitra tamin'ny mpifehy ny miaramila Mosesy, dia tamin'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, izay avy tany an-tafika,

15. ka hoy izy taminy: Nahoana no novelominareo ny vehivavy rehetra?

16. Ireo ihany no nampahadiso ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah ny amin'i Peora, araka ny tenin'i Balama, ka nahazo ny fiangonan'i Jehovah ny areti-mandringana.

17. Koa ankehitriny, vonoy ny zazalahy madinika rehetra, ary vonoy koa ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy.

18. Fa ny zazavavy rehetra izay tsy mbola nahalala lahy dia velomy ho anareo.

19. Ary mitobia eo ivelan'ny toby hafitoana; ary izay nahafaty olona na nikasika faty dia samia manadio ny tenany, na ianareo, na ny sambotrareo amin'ny andro fahatelo sy ny andro fahafito.

20. Ary ny fitafiana rehetra, na ny fanaka hoditra, na ny fanaka volon'osy, na ny fanaka hazo, dia diovy avokoa.

Vakio ny toko manontolo Nomery 31