Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 30:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Dia nolazain'i Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely izany, araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah azy.

2. Ary Mosesy niteny tamin'ireo lohan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian'i Jehovah:

3. Raha misy lehilahy mivoady amin'i Jehovah, na mianiana hamehy ny fanahiny hifady, dia tsy hitsoa-teny izy; araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony.

4. Ary raha misy vehivavy mivoady amin'i Jehovah ka mamehy tena hifady, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy,

5. ka ren-drainy ny voadiny sy ny namehezany ny fanahiny hifady, nefa tsy niteny azy rainy, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana na inona na inona namehezany ny fanahiny.

6. Fa raha nandrara azy rainy tamin'ny andro nandrenesany, dia afaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny fanahiny; ary Jehovah hamela ny helony, satria nandrara azy rainy.

7. Ary raha manam-bady izy ka misy voady efa nataony, na misy teniteny foana nataon'ny molony, izay namehezany ny fanahiny hifady,

Vakio ny toko manontolo Nomery 30