Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 3:33-39 Malagasy Bible (MG1865)

33. Avy tamin'i Merary ny fokon'ny Malita sy ny fokon'ny Mosita; Ireo no fokon'i Merary.

34. Ary izay nalamina, araka ny isan'ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, dia roan-jato amby enina arivo,

35. Ary ny lohan'ny fianakaviana amin'ny fokon'i Merary dia Zoriela, zanak'i Abihaila; ireo no hitoby eo amin'ny lafiny avaratra amin'ny tabernakely.

36. Ary ny anjara-raharahan'ny zanak'i Merary dia ny zana-kazo amin'ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny ary ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy, sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao,

37. ary ny tsangantsangan'ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany ary ny kofehiny.

38. Ary ny mitoby eo anoloan'ny tabernakely atsinanany, dia eo anoloan'ny trano-lay fihaonana, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro, dia Mosesy sy Arona ary ny zanany, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina, dia ny anjara-raharahan'ny Zanak'Isiraely; ary raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.

39. Ny tontalin'izay nalamina avy tamin'ny Levita, dia izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah, avy tamin'ny fokony, ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, dia roa arivo amby roa alina.

Vakio ny toko manontolo Nomery 3