Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 3:22-26 Malagasy Bible (MG1865)

22. Ary izay nalamina, araka ny isan'ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, dia diman-jato amby fito arivo.

23. Ny fokon'ny Gersonita dia hitoby eo ivohon'ny tabernakely, dia eo andrefany.

24. Ary ny lohan'ny fianakavian'ny Gersonka dia Efiasafa, zanak'i Laela.

25. Ary ny anjara-raharahan'ny zanak'i Gersona eo amin'ny trano-lay fihaonana dia ny tabernakely sy ny lay sy ny firakony sy ny varavarana lamba amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana,

26. ary ny fefi-lamban'ny kianja sy ny vavahady lamba amin'ny vavahadin'ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehy rehetra momba azy.

Vakio ny toko manontolo Nomery 3