Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 3:15-26 Malagasy Bible (MG1865)

15. Alamino ny Levita araka ny fianakaviany sy ny fokony; ny lahy rehetra eo aminy hatramin'ny iray volana no ho miakatra no halaminao.

16. Ary Mosesy nandamina azy araka ny tenin'i Jehovah, araka izay efa nandidiana azy.

17. Ary izao no zanakalahin'i Levy, araka ny anarany: Gersona sy Kehata ary Merary.

18. Ary izao no anaran'ny zanakalahin'i Gersona, araka ny fianakaviany: Libny sy Simey.

19. Ary ny zanakalahin'i Kehata, araka ny fianakaviany, dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.

20. Ary ny zanakalahin'i Merary, araka ny fianakaviany, dia Maly sy Mosy. Ireo no fokon'ny Levita, araka ny fianakaviany.

21. Avy tamin'i Gersona ny fokon'ny Libnita sy ny Simeita: Ireo no fokon'ny Gersonita.

22. Ary izay nalamina, araka ny isan'ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, dia diman-jato amby fito arivo.

23. Ny fokon'ny Gersonita dia hitoby eo ivohon'ny tabernakely, dia eo andrefany.

24. Ary ny lohan'ny fianakavian'ny Gersonka dia Efiasafa, zanak'i Laela.

25. Ary ny anjara-raharahan'ny zanak'i Gersona eo amin'ny trano-lay fihaonana dia ny tabernakely sy ny lay sy ny firakony sy ny varavarana lamba amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana,

26. ary ny fefi-lamban'ny kianja sy ny vavahady lamba amin'ny vavahadin'ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehy rehetra momba azy.

Vakio ny toko manontolo Nomery 3