Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 28:20-31 Malagasy Bible (MG1865)

20. ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba izany (telo ampahafolon'ny efaha no hiaraka haterinareo amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, ary roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy iray,

21. ary ampahafolon'ny efaha no hiaraka haterinao amin'ny isan-janak'ondry, dia ny zanak'ondry fito),

22. ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo.

23. Atero ireo ho fanampin'ny fanatitra dorana isa-maraina, izay atao fanatitra dorana mandrakariva.

24. Araka izany no hanateranareo isan'andro amin'ny hafitoana, ho hanina ho an'i Jehovah, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Azy; ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy.

25. Ary amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory.

26. Ary amin'ny andro fanaterana ny voaloham-bokatra, raha manatitra fanatitra hohanina vaovao ho an'i Jehovah ianareo, rehefa afaka ireo herinandronareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory;

27. ary izao no atero ho fanatitra odorana ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy roa sy ondrilahy iray sy zanak'ondry fito, izay iray taona avy,

28. ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan'ondrilahy iray,

29. ary ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-janak'ondry iray, dia amin'ny zanak'ondry fito)

30. ary osilahy iray, hanaovana fanavotana ho anareo.

31. Dia haterinareo ireo sy ny fanatitra aidina momba azy ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy; izay tsy misy kilema no haterinareo.

Vakio ny toko manontolo Nomery 28