Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 27:4-12 Malagasy Bible (MG1865)

4. Nahoana ny rainay no ho fati-maso eo amin'ny fokony, na dia tsy nanan-janakalahy aza izy? mba omeo zara-tany eo amin'ny rahalahin'ny rainay izahay.

5. Ary nalahatr'i Mosesy teo anatrehan'i Jehovah ny tenin'ireo.

6. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

7. Marina ny tenin'ny zanakavavin'i Zelofada: omeo zara-tany eo amin'ny rahalahin-drainy tokoa izy; dia ampandovay ny zara-tanin-drainy izy.

8. Ary lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy lehilahy maty ka tsy manan-janakalahy, dia ny zananivavy no hampandovainareo ny zara-taniny.

9. Ary raha tsy manan-janakavavy izy, dia ny rahalahiny no homenareo ny zara-taniny.

10. Ary raha tsy manan-drahalahy izy, dia ny rahalahin-drainy no homenareo ny zara-taniny.

11. Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy, dia ny havany akaiky azy amin'ny fokony no homenareo ny zara-taniny, ka izy no handova azy: ho lalàna hitondrana ny Zanak'Isiraely izany araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

12. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Miakara amin'ity tendrombohitra Abarima ity, ka tazano ny tany izay omeko ny Zanak'Isiraely.

Vakio ny toko manontolo Nomery 27