Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 25:8-18 Malagasy Bible (MG1865)

8. dia nandeha nanaraka ilay lehilahy Isiraelita tao an-day izy, ary nataony indray nandefona izy roroa, dia ny lehilahy Isiraelita sy ny vehivavy, ka voagorobaka hatrany amin'ny kibon-dravehivavy. Dia natsahatra ny areti-mandringana teo amin'ny Zanak'Isiraely.

9. Ary izay maty tamin'ny areti-mandringana dia efatra arivo amby roa alina.

10. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

11. Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, nampiala ny fahatezerako tamin'ny Zanak'Isiraely, raha firehitra noho ny fitiavany Ahy izy; ka dia tsy nataoko lany ringana ny Zanak'Isiraely tamin'ny firehetan'ny fahatezerako.

12. Ary noho izany dia lazao hoe: Indro, omeko azy ny faneken'ny fihavanako;

13. ary izy sy ny zanany mandimby azy no hanana izany ho faneken'ny fisoronana mandrakizay, satria nirehitra noho ny fitiavany an'Andriamaniny izy ka nanao fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely.

14. Ary ny anaran'ilay lehilahy Isiraelita novonoina, izay niaraka novonoina tamin-dravehivavy Midianita, dia Zimry, zanak i Salo, lohan'ny fianakaviana tamin'ny Simeonita.

15. Ary ny anaran'ny vehivavy Midianita izay novonoina dia Kosby, zanak'i Zora, lohan'ny fianakaviana tamin'ny Midianita.

16. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

17. Rafeso ny Midianita, ka iadio;

18. fa izy nandrafy anareo tamin'ny fanangoleny, izay nanangoleny anareo tamin'ny an'i Peora sy Kosby anabaviny, zanakavavin'ny andriandahy Midianita anankiray, izay novonoina tamin'ny andron'ny areti-mandringana noho ny an'i Peora.

Vakio ny toko manontolo Nomery 25