Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 23:9-22 Malagasy Bible (MG1865)

9. Fa eto an-tampon'ny vatolampy no ahitako azy, ary eto amin'ny havoana no itazanako azy; indro, firenena mitoka-monina izy, ary tsy hatao ho isan'ny jentilisa.

10. Iza no mahisa ny vovok'i Jakoba, na ny isan'ny ampahefatry ny Isiraely? Aoka ho tahaka ny fahafatesan'ny olo-marina ny fahafatesako, ary aoka ny hiafarako ho tahaka ny azy!

11. Dia hoy Balaka tamin'i Balama: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo nitso-drano dia nitso-drano azy kosa ianao.

12. Dia namaly izy ka nanao hoe: Tsy hotandremako va ny hilaza izay ataon'i Jehovah eto am-bavako?

13. Dia hoy Balaka taminy: Andeha mba hiaraka amiko ho any amin'ny tany hafa izay hahitanao azy; kanefa ny sisiny ihany no ho hitanao eo, fa tsy ho hitanao avokoa izy rehetra; ka ozòny ho ahy ao izy.

14. Dia nitondra azy tao an-tsaha Zofima izy, tao an-tampon'i Pisga; ary nanorina alitara fito izy ka nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara.

15. Dia hoy izy tamin'i Balaka: Mitoera eto anilan'ny fanatitra doranao, fa izaho hankerį»³ hihaona amin'i Jehovah.

16. Ary Jehovah nihaona tamin'i Balama, dia nanisy teny teo am-bavany ka nanao hoe: Miverena mankeo amin'i Balaka ary izany no holazainao.

17. Ary nony tonga tany aminy izy, dia, indreo, teo anilan'ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin'i Moaba izay teo aminy. Dia hoy Balaka taminy: Ahoana no nolazain'i Jehovah?

18. Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Mitsangàna,, ry Balaka, ka mandrenesa; Atongilano amiko ny sofinao, ry zanak'i Zipora;

19. Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak'olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?

20. Indro, ny hitahy no efa azoko; ary efa nitahy Izy, ka tsy mahova izany aho.

21. Tsy mijery faharatsiana eo amin'i Jakoba Izy. Ary tsy mahita fahoriana eo amin'ny Isiraely; Jehovah Andriamaniny no nomba azy, Ary hoby fanao amin'andriana no re eo aminy.

22. Nentin'Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy, ary manan-kery toy ny ombimanga,

Vakio ny toko manontolo Nomery 23