Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 23:6-16 Malagasy Bible (MG1865)

6. Dia niverina tany amin'i Balaka izy, ary, indreo, teo anilan'ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin'i Moaba rehetra.

7. Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Balaka nampaka ahy avy tany Arama, Ny mpanjakan'i Moaba nampaka ahy avy tany amin'ny tendrombohitra atsinanana: Avia, ka ozòny ho ahy Jakoba; ary mankanesa atį»³, ka sahatoy ny Isiraely.

8. Hataoko ahoana no fanozona izay tsy nozonin'Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no fisahato izay tsy nosahatoin'i Jehovah?

9. Fa eto an-tampon'ny vatolampy no ahitako azy, ary eto amin'ny havoana no itazanako azy; indro, firenena mitoka-monina izy, ary tsy hatao ho isan'ny jentilisa.

10. Iza no mahisa ny vovok'i Jakoba, na ny isan'ny ampahefatry ny Isiraely? Aoka ho tahaka ny fahafatesan'ny olo-marina ny fahafatesako, ary aoka ny hiafarako ho tahaka ny azy!

11. Dia hoy Balaka tamin'i Balama: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo nitso-drano dia nitso-drano azy kosa ianao.

12. Dia namaly izy ka nanao hoe: Tsy hotandremako va ny hilaza izay ataon'i Jehovah eto am-bavako?

13. Dia hoy Balaka taminy: Andeha mba hiaraka amiko ho any amin'ny tany hafa izay hahitanao azy; kanefa ny sisiny ihany no ho hitanao eo, fa tsy ho hitanao avokoa izy rehetra; ka ozòny ho ahy ao izy.

14. Dia nitondra azy tao an-tsaha Zofima izy, tao an-tampon'i Pisga; ary nanorina alitara fito izy ka nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara.

15. Dia hoy izy tamin'i Balaka: Mitoera eto anilan'ny fanatitra doranao, fa izaho hankerį»³ hihaona amin'i Jehovah.

16. Ary Jehovah nihaona tamin'i Balama, dia nanisy teny teo am-bavany ka nanao hoe: Miverena mankeo amin'i Balaka ary izany no holazainao.

Vakio ny toko manontolo Nomery 23