Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 23:1-11 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary hoy Balama tamin'i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito.

2. Dia narahin'i Balaka izay efa nolazain'i Balama; ary Balaka sy Balama nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara.

3. Dia hoy Balama tamin'i Balaka: Mitoera eto anilan'ny fanatitra doranao, fa izaho kosa handeha; angamba ho avy hihaona amiko Jehovah; ary izay hasehony amiko dia hambarako aminao. Ary lasa nankany amin'ny tendrombohitra anankiray mangadihady izy.

4. Ary Andriamanitra dia nihaona tamin'i Balama; ary hoy Balama taminy: Ny alitara fito dia efa namboariko, ary efa nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin'ny isan'alitara aho.

5. Ary Jehovah nanisy teny teo am-bavan'i Balama ka nanao hoe: Miverena any amin'i Balaka, ary izany no holazainao.

6. Dia niverina tany amin'i Balaka izy, ary, indreo, teo anilan'ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin'i Moaba rehetra.

7. Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Balaka nampaka ahy avy tany Arama, Ny mpanjakan'i Moaba nampaka ahy avy tany amin'ny tendrombohitra atsinanana: Avia, ka ozòny ho ahy Jakoba; ary mankanesa atỳ, ka sahatoy ny Isiraely.

8. Hataoko ahoana no fanozona izay tsy nozonin'Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no fisahato izay tsy nosahatoin'i Jehovah?

9. Fa eto an-tampon'ny vatolampy no ahitako azy, ary eto amin'ny havoana no itazanako azy; indro, firenena mitoka-monina izy, ary tsy hatao ho isan'ny jentilisa.

10. Iza no mahisa ny vovok'i Jakoba, na ny isan'ny ampahefatry ny Isiraely? Aoka ho tahaka ny fahafatesan'ny olo-marina ny fahafatesako, ary aoka ny hiafarako ho tahaka ny azy!

11. Dia hoy Balaka tamin'i Balama: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo nitso-drano dia nitso-drano azy kosa ianao.

Vakio ny toko manontolo Nomery 23