Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 15:17-28 Malagasy Bible (MG1865)

17. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

18. Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha tonga any amin'ny tany izay itondrako anareo ianareo

19. ka hihinana mofo avy amin'ny vokatry ny tany, dia hanokana izay ho an'i Jehovah.

20. Hanokana mofo iray izay hatao amin'ny voalohan'ny kobanareo voafetafeta ianareo; tahaka izay atokana avy eo amin'ny famoloana no hanokananareo izany.

21. Ny voalohan'ny kobanareo voafetafeta dia hanomezanareo ho an'i Jehovah hatramin'ny taranakareo fara mandimby.

22. Ary raha manota tsy nahy ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo, izay nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy,

23. dia izay rehetra nasain'i Jehovah nandidian'i Mosesy anareo, hatramin'ny andro izay nanaovan'i Jehovah izany didy izany ka hatramin'ny taranakareo fara mandimby,

24. koa atao tsy nahy izany ka tsy fantatry ny fiangonana; dia hanatitra vantotr'ombilahy iray ny fiangonana rehetra ho fanatitra dorana, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah, mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota.

25. Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka dia havela ny helony, satria natao tsy nahy izany; ary hitondra ny fanatiny izy, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, ary ny fanatiny noho ny ota, eo anatrehan'i Jehovah, noho ny ota tsy nahy nataony.

26. Dia havela ny heloky ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, mbamin'izay vahiny eo aminy; fa nahazo ny olona rehetra izany noho ny ota tsy nahy,

27. Ary raha olona iray kosa no manota tsy nahy, dia hanatitra osivavy iray izay iray taona izy ho fanatitra noho ny ota.

28. Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ny olona izay nanota tsy nahy eo anatrehan'i Jehovah, ka dia havela ny helony.

Vakio ny toko manontolo Nomery 15