Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 13:1-13 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy, ka nanao hoe:

2. Maniraha lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany Kanana, izay omeko ho an'ny Zanak'Isiraely; dia lehilahy iray avy isam-pirazanany no hirahinareo, ka izay samy lohan'ny fireneny avy.

3. Ary Mosesy dia naniraka azy hiala any an-efitra Parana, araka ny didin'i Jehovah; ary samy lohan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ireo lehilahy rehetra ireo.

4. Ary izao no anarany: Avy tamin'ny firenen'i Robena dia Samoa, zanak'i Zakora;

5. avy tamin'ny firenen'i Simeona dia Safata, zanak'i Hory;

6. avy tamin'ny firenen'i Joda dia Kaleba, zanak'i Jefone;

7. avy tamin'ny firenen'Isakara dia Jigala, zanak'i Josefa;

8. avy tamin'ny firenen'i Efraima dia Hosea, zanak'i Nona;

9. avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia Palty, zanak'i Rafo;

10. avy tamin'ny firenen'i Zebolona dia Gadiela, zanak'i Sody;

11. avy tamin'ny firenen'i Josefa, tamin'ny firenen'i Manase, dia Gady, zanak'i Sosy;

12. avy tamin'ny firenen'i Dana dia Amiela, zanak'i Gemaly;

13. avy tamin'ny firenen'i Asera dia Setora, zanak'i Mikaela;

Vakio ny toko manontolo Nomery 13