Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 12:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Miriama sy Arona niteny nanome tsiny an'i Mosesy noho ny vehivavy Kosita izay efa nampakariny; fa efa nampakatra vehivavy Kosita izy.

2. Dia hoy izy mianadahy: Moa Mosesy ihany va no efa nitenenan'i Jehovah? tsy izahay koa va no nitenenany? Dia ren'i Jehovah izany.

3. Ary Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin'ny tany.

4. Ary Jehovah dia niteny tampoka tamin'i Mosesy sy Arona ary Miriama hoe: Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any amin'ny trano-lay fihaonana. Dia nivoaka izy telo mianadahy.

5. Ary andri-rahona no nidinan'i Jehovah, ka nitsangana teo am-baravaran'ny trano-lay Izy; dia niantso an'i Arona sy Miriama Izy, ka nivoaka izy mianadahy.

6. Dia hoy Izy: Mba mihainoa ny teniko: Raha misy mpaminanin'i Jehovah eo aminareo, dia amin'ny fahitana no hisehoako aminy, ary amin'ny nofy no hitenenako aminy.

7. Fa tsy toy izany kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin'ny tranoko rehetra.

8. Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin'ny fahitana, fa tsy amin'ny teny saro-pantarina, ary mijery ny endrik'i Jehovah izy; ka nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an'i Mosesy mpanompoko?

9. Dia nirehitra ny fahatezeran'i Jehovah tamin'izy mianadahy, ka niala Izy.

Vakio ny toko manontolo Nomery 12