Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 11:8-19 Malagasy Bible (MG1865)

8. Nandehandeha ny olona ka nanangona azy, dia nitoto azy tamin'ny fikosoham-bary na tamin'ny laona, ary nahandro azy tamin'ny vilany, dia nanao mofo azy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny fanandramana mofo misy diloilo.

9. Ary raha nilatsaka tamin'ny toby ny ando nony alina, dia nilatsaka koa niaraka taminy ny mana.

10. Ary Mosesy nandre ny olona nitomany tamin'ny isam-pianakaviany, samy teo amin'ny varavaran'ny lainy avy; dia nirehitra fatratra ny fahatezeran'i Jehovah; ary tsy sitrak'i Mosesy koa izany.

11. Dia hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Nahoana no dia nasianao ratsy ny mpanomponao? ary nahoana no tsy nahita fitia eo imasonao aho, ka nampitondrainao enta-mavesatra, dia ity firenena rehetra ity?

12. Izaho va no torontoronina an'ity firenena rehetra ity? ary izaho va no niteraka azy, no ilazanao hoe: Trotroinao izy, tahaka ny ray mpitaiza mitondra ny zaza minono, ho any amin'ny tany izay nianiananao tamin'ny razany homena azy?

13. Avy aiza no hahazoako hena homena ity firenena rehetra ity, no dia mitomany amiko izy manao hoe: Omeo hena izahay hohaninay?

14. Tsy zakako izaho irery ny mitondra ity firenena rehetra ity, fa mavesatra amiko loatra.

15. Koa raha izao no ataonao amiko, masìna Hianao, vonoy mihitsy aho, raha nahita fitia eo imasonao; fa aza avela hahita ny fahoriako aho.

16. Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Manangòna fito-polo lahy amin'ny loholon'ny Isiraely ho etỳ amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin'ny fireneny sy mpifehy azy; ary ento miaraka aminao ho ao amin'ny trano-lay fihaonana izy.

17. Dia hidina Aho ka hiteny aminao eo; ary Izaho haka amin'ny Fanahy Izay ao aminao ka hametraka izany ao amin'ireo, ary hiara-mitondra ity firenena ity aminao ireo, fa tsy ianao irery intsony no hitondra azy.

18. Koa lazao amin'ny olona hoe: Manamasìna ny tenanareo ho amin'ny ampitso, dia hihinan-kena ianareo; fa nitomany teo anatrehan'i Jehovah ianareo ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay! fa soa no hitanay tany Egypta; dia homen'i Jehovah hena ianareo, ka hohaninareo.

19. Tsy indray andro no hihinananareo na indroa andro, na hadimiana, na hafoloana, na roa-polo andro aza,

Vakio ny toko manontolo Nomery 11