Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 1:39-48 Malagasy Bible (MG1865)

39. izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Dana dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.

40. Ary tamin'ny taranak'i Asera araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika

41. izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Asera dia diman-jato amby arivo sy efatra alina.

42. Ary tamin'ny taranak'i Naftaly araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,

43. izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Asera dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.

44. Ireo no voalamin'i Mosesy sy Arona ary ny roa ambin'ny folo lahy lehibe amin'ny Isiraely, izay samy lohan'ny fianakaviany avy.

45. Ary izay rehetra avy tamin'ny Zanak'Isiraely araka ny fianakaviany, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika avy amin'ny Isiraely,

46. dia dimam-polo amby dimam-jato sy telo arivo sy enina hetsy.

47. Fa ny Levita, araka ny fireneny kosa dia tsy mba nalamina ho isan'ireo.

48. Fa Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

Vakio ny toko manontolo Nomery 1