Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 1:35-39 Malagasy Bible (MG1865)

35. izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Manase dia roan-jato amby roa arivo sy telo alina.

36. Ary tamin'ny taranak'i Benjamina araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,

37. izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia efa-jato amby dimy arivo sy telo alina.

38. Ary tamin'ny taranak'i Dana araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,

39. izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Dana dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.

Vakio ny toko manontolo Nomery 1