Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nehemia 9:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'izany volana izany dia niangona ny Zanak'Isiraely, sady nifady hanina no samy nitafy lamba fisaonana sy nihosin-tany.

2. Dia niavaka tamin'ny olona hafa firenena rehetra ny taranak'Isiraely ary nitsangana ka niaiky ny fahotany sy ny heloky ny razany.

3. Ary nitsangana teo amin'ny fitoerany avy izy, dia namaky ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'i Jehovah Andriamaniny tamin'ny ampahefatry ny andro; ary tamin'ny ampahefatry ny andro koa dia nitsotra sy niankohoka teo anatrehan'i Jehovah Andriamaniny izy.

4. Ary Jesoa sy Bany sy Kadmiela sy Sebania sy Bony sy Serebia sy Bany ary Kenany dia nitsangana teo ambonin'ny lampihazon'ny Levita ka nitaraina mafy tamin'i Jehovah Andriamaniny.

5. Ary hoy ny Levita, dia Jesoa sy Kadmiela sy Bany sy Hasabnia sy Serebia sy Hodia sy Sebania ary Petahia: Mitsangana, ka misaora an'i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay mandrakizay. Ary isaorana anie ny anaranao malaza, izay voasandratra ambonin'ny fisaorana sy ny fiderana rehetra.

6. Hianao dia Hianao irery ihany no Jehovah; Hianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra, mbamin'izay rehetra any aminy, ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, ary Hianao no mamelona azy rehetra; ary ireo maro any an-danitra samy miankohoka eo anatrehanao.

7. Hianao no Jehovah Andriamanitra, Izay nifidy an'i Abrama ka nitondra azy nivoaka avy tany Oran'ny Kaldeana sady nanao ny anarany hoe Abrahama;

Vakio ny toko manontolo Nehemia 9