Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nehemia 8:14-18 Malagasy Bible (MG1865)

14. Dia hitany voasoratra teo amin'ny lalàna, izay nampandidian'i Jehovah an'i Mosesy, fa tokony hitoetra ao amin'ny trano rantsan-kazo ny Zanak'Isiraely amin'ny andro firavoravoana amin'ny volana fahafito,

15. ary tokony hampandre ny olona sy handefa teny mitety ny tanànany rehetra sy Jerosalema ka hanao hoe: Mandehana any an-tendrombohitra, ka makà sampan'oliva sy sampan'oliva maniry ho azy sy sampan-drotra sy sampan-drofia ary sampan-kazo be ravina hanaovana trano rantsan-kazo araka, ny voasoratra.

16. Dia nandeha ny olona ka naka, ary samy nanao trano rantsan-kazo ho azy teo amin'ny tampon-tranony avy sy teo anatin'ny tokotaniny avy sy teo anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitra sy teo an-kalalahana teo akaikin'ny vavahadin-drano ary teo an-kalalahana akaikin'ny vavahadin'i Efraima.

17. Eny, nanao trano rantsan-kazo avokoa ny fiangonana rehetra izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana, ka nipetraka tao anatiny izy; fa tsy mbola nanao toy izany ny Zanak'Isiraely hatramin'ny andron'i Josoa, zanak'i Nona, ka hatramin'izany andro izany. Ary dia nisy fifaliana lehibe indrindra.

18. Ary namaky ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra isan'andro isan'andro izy hatramin'ny andro voalohany ka hatramin'ny andro farany. Ary nanao andro firavoravoana hafitoana izy; ary tamin'ny andro fahavalo dia fara-fivoriana araka ny fanao.

Vakio ny toko manontolo Nehemia 8