Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nehemia 7:58-73 Malagasy Bible (MG1865)

58. ny taranak'i Jala, ny taranak'i Darkona, ny taranak'i Gidela,

59. ny taranak'i Sefatia, ny taranak'i Hatila, ny taranak'i Pokereta-hazebaima, ny taranak'i Amona.

60. Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon'i Solomona dia roa amby sivi-folo amby telon-jato.

61. Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Kerofa sy Adona ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany, na avy tamin'ny Isiraely na tsia, izy):

62. ny taranak'i Delaia, ny taranak'i Tobia, ny taranak'i Nekoda, roa amby efa-polo amby enin-jato.

63. Ary ny avy tamin'ny mpisorona dia izao: Ny taranak'i Hobaia, ny taranak'i Hakoza, ny taranak'i Barzilay; nampaka-bady avy tamin'ny zanakavavin'i Barzilay Gileadita io ka notononina araka ny anarany.

64. Ireo dia nitady ny soratra filazana ny razany, fa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin'ny fisoronana.

65. Ary ny governora nilaza fa tsy mahazo mihinana ny zava-masina indrindra izy mandra-pitsangan'izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima.

66. Ny tontalin'ny olona rehetra dia enim-polo amby telon-jato amby roa arivo sy efatra alina,

67. afa-tsy ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny fito amby telo-polo amby telon-jato sy fito arivo; ary nanana mpihiralahy sy mpihiravavy dimy amby efa-polo amby roan-jato izy;

68. ny soavaliny dia enina amby telo-polo amby fiton-jato; ny ampondrany dia dimy amby efa-polo amby roan-jato;

69. ny ramevany dia dimy amby telo-polo amby efa-jato; ny borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy enina arivo.

70. Ary ny sasany tamin'ny lohan ny fianakaviana dia nahafoy hanaovana ny asa. Ny governora nanome darika volamena arivo sy lovia famafazana dimam-polo sy akanjo-mpisorona telo-polo amby dimam-jato ho ao amin'ny rakitra.

71. Ary ny sasany tamin'ny lohan'ny fianakaviana dia nanome darika volamena roa alina sy mane volafotsy roan-jato sy roa arivo ho ao amin'ny rakitra hanaovana ny asa.

72. Ary izay nomen'ny olona sisa dia darika volamena roa alina sy mane volafotsy roa arivo ary akanjo-mpisorona fito amby enim-polo.

73. Ary samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny sasany amin'ny vahoaka ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra.

Vakio ny toko manontolo Nehemia 7