Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nehemia 7:49-65 Malagasy Bible (MG1865)

49. ny taranak'i Hanana, ny taranak'i Gidela, ny taranak'i Gahara,

50. ny taranak'i Reaia, ny taranak'i Rezina, ny taranak'i Nekoda,

51. ny taranak'i Gazama, ny taranak'i Oza, ny taranak'i Pasea,

52. ny taranak'i Besay, ny taranaky ny Meonita, ny taranaky ny Nefisita,

53. ny taranak'i Bakboka, ny taranak'i Hakafa, ny taranak'i Harora,

54. ny taranak'i Bazlita, ny taranak'i Mehida, ny taranak'i Harsa,

55. ny taranak'i Barkosa, ny taranak'i Sisera, ny taranak'i Tema,

56. ny taranak'i Nezia, ny taranak'i Hatifa.

57. Ary ny taranaky ny mpanompon'i Solomona koa dia izao: Ny taranak'i Sotahy, ny taranak'i Sofereta, ny zanak'i Perida,

58. ny taranak'i Jala, ny taranak'i Darkona, ny taranak'i Gidela,

59. ny taranak'i Sefatia, ny taranak'i Hatila, ny taranak'i Pokereta-hazebaima, ny taranak'i Amona.

60. Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon'i Solomona dia roa amby sivi-folo amby telon-jato.

61. Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Kerofa sy Adona ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany, na avy tamin'ny Isiraely na tsia, izy):

62. ny taranak'i Delaia, ny taranak'i Tobia, ny taranak'i Nekoda, roa amby efa-polo amby enin-jato.

63. Ary ny avy tamin'ny mpisorona dia izao: Ny taranak'i Hobaia, ny taranak'i Hakoza, ny taranak'i Barzilay; nampaka-bady avy tamin'ny zanakavavin'i Barzilay Gileadita io ka notononina araka ny anarany.

64. Ireo dia nitady ny soratra filazana ny razany, fa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin'ny fisoronana.

65. Ary ny governora nilaza fa tsy mahazo mihinana ny zava-masina indrindra izy mandra-pitsangan'izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima.

Vakio ny toko manontolo Nehemia 7