Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nehemia 7:10-22 Malagasy Bible (MG1865)

10. ny taranak'i Ara dia roa amby dimam-polo amby enin-jato;

11. ny taranak'i Pahatamoaba, dia avy tamin'ny zanak'i Jesoa sy Joaba, dia valo ambin'ny folo amby valon-jato sy roa arivo;

12. ny taranak'i Elama dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;

13. ny taranak'i Zato dia dimy amby efa-polo amby valon-jato;

14. ny taranak'i Zakay dia enim-polo amby fiton-jato;

15. ny taranak'i Binoy dia valo amby efa-polo amby enin-jato;

16. ny taranak'i Bebay dia valo amby roa-polo amby enin-jato;

17. ny taranak'Azgada dia roa amby roa-polo amby telon-jato amby roa arivo;

18. ny zanak'i Adonikama dia fito amby enim-polo amby enin-jato;

19. ny taranak'i Bigvay dia fito amby enim-polo sy roa arivo;

20. ny taranak'i Adina dia dimy amby dimam-polo amby enin-jato;

21. ny taranak'i Atera, avy tamin'i Hezekia, dia valo amby sivi-folo;

22. ny taranak'i Hasoma dia valo amby roa-polo amby telon-jato;

Vakio ny toko manontolo Nehemia 7