Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nehemia 6:14-19 Malagasy Bible (MG1865)

14. Ry Andriamanitro ô, tsarovy Tobia sy Sanbala araka izany asany izany mbamin'i Noadia mpaminanivavy sy ny mpaminany sasany koa, izay nampitahotra ahy.

15. Dia vita tamin'ny roa amby dimam-poloandro ny manda, dia tamin'ny andro faha-dimy amby roa-polo tamin'ny volana Elola.

16. Ary rehefa ren'ny fahavalonay rehetra izany, dia raiki-tahotra ny firenena rehetra manodidina anay, sady hitany fa tsinontsinona izy; ary fantany fa Andriamanitray no nahavitàna izany asa izany.

17. Ary tamin'izany andro izany ny manan-kaja amin'ny Joda dia nampitondra taratasy maro ho any amin'i Tobia, ary ny avy tamin'i Tobia kosa tonga tany aminy.

18. Fa nisy maro tany Joda efa nianiana niray tetika taminy, satria vinanton'i Sekania, zanak'i Ara, izy; ary Johanana zananilahy efa nanambady ny zanakavavin'i Mesolama, zanak'i Berekia.

19. Ary nisy koa teo anatrehako nilaza ny soa nataony ary nilaza ny teniko tany aminy kosa. Ary Tobia kosa nampitondra taratasy hampitahotra ahy.

Vakio ny toko manontolo Nehemia 6