Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nehemia 11:13-18 Malagasy Bible (MG1865)

13. ary ny rahalahiny, izay samy lohan'ny fianakaviana, dia roa amby efa-polo amby roan-jato; ary Amasay, zanak'i Azarela, zanak'i Ahazay, zanak'i Mesilemota, zanak'Imera,

14. mbamin'ny rahalahin'ireo, dia lehilahy mahery valo amby roa-polo amby zato; ary Zabdiela, zanak'i Hagedolima, no mpifehy azy.

15. Ary ny avy tamin'ny Levita dia Semaia, zanak'i Hasoba, zanak'i Azrikama, zanak'i Hasabia, zanak'i Bony;

16. ary Sabetahy sy Jozabada, avy tamin'ny lohan'ny Levita, no tonian'ny raharaha teo ivelan'ny tranon'Andriamanitra.

17. Ary Matania, zanak'i Mika, zanak'i Zabdy, zanak'i Asafa, no mpiventy, raha natao ny fisaorana tao am-pivavahana; ary Bakbokia no nanarakaraka teo amin'ny rahalahiny, dia vao Abda, zanak'i Samoa, zanak'i Galala, zanak'i Jedotona.

18. Ny Levita rehetra tao an-tanàna masina dia efatra amby valo-polo amby roan-jato.

Vakio ny toko manontolo Nehemia 11