Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nehemia 10:17-37 Malagasy Bible (MG1865)

17. Adonia, Bigvay, Adina,

18. Atera, Hezekia, Azora,

19. Hodia, Hasoma, Bezay,

20. Harifa, Anatota, Nebay,

21. Magpiasy, Mesolama, Hezira,

22. Mesezabela, Zadoka, Jadoa,

23. Pelatia, Hanana, Anaia,

24. Hosea, Hanania, Hasoba,

25. Halohesy, Pila, Sobeka,

26. Rehoma, Hasabna, Mahaseia,

27. Ahia, Hanana, Anana,

28. Maloka, Harima, Bana.

29. Ary ny olona sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny Netinima, ary izay rehetra efa niavaka tamin'ny tompon-tany hanaraka ny lalàn'Andriamanitra mbamin'ny vadin'ireo sy ny zananilahy ary ny zananivavy, izay rehetra efa nahahaino,

30. dia samy nikambana tsara tamin'ny andriandahy rahalahiny ka niozona sy nianiana hanaraka ny lalan'Andriamanitra, izay nampilazaina an'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, ary hitandrina sy hankatò ny didy rehetra izay nataon'i Jehovah Tompontsika mbamin'ny fitsipika sy ny lalàny;

31. ary tsy hanome ny zananivavy ho vadin'ny tompon-tany, na haka ny zananivavy ho vadin'ny zanakai-lahy;

32. tsy hividy zavatra amin'ny andro Sabata, na amin'izay andro masina, raha misy entana na vary entin'ny tompon-tany hamidy amin'ny andro Sabata, ary tsy hamboly zavatra amin'ny taona fahafito sady hamoy izay trosa rehetra.

33. Ary nanao lalàna ho anay koa izahay handoa ny ampahatelon-tsekely isan-taona hanaovana ny fanompoana momba ny tranon'Andriamanitsika:

34. dia ho amin'ny mofo aseho sy ny fanatitra hohanina mandrakariva sy ny fanatitra dorana mandrakariva, ary ho amin'ny Sabata sy ny voaloham-bolana sy ny fotoam-pivavahana, ary ho amin'ny zava-masina sy ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an'ny Isiraely, dia hanaovana ny raharaha rehetra momba ny tranon'Andriamanitsika.

35. Ary nanao filokana izahay ny amin'ny hanateran'ny mpisorona sy ny Levita sy ny olona ny kitay hazo, hitondranay azy ho ao an-tranon'Andriamanitra araka ny fianakavianay avy amin'ny fotoan'andro isan-taona, handoroana eo ambonin'ny alitaran'i Jehovah Andriamanitsika araka izay voasoratra ao amin'ny lalàna,

36. ary mba hitondranay ny voaloham-bokatry ny taninay sy ny voaloham-bokatry ny hazo mamoa rehetra ho ao an-tranon'i Jehovah isan-taona isan-taona;

37. ary ny lahimatoanay sy ny voalohan-teraky ny biby fiompinay, araka izay voasoratra ao amin'ny lalàna, ary ny voalohan-teraky ny ombinay sy ny ondry aman'osinay dia nekenay hohentina ho an-tranon'i Jehovah Andriamanitsika, ho an'ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ao an-tranon'Andriamanitsika;

Vakio ny toko manontolo Nehemia 10