Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nahoma 3:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Lozan'ny tanàna mpandatsa-drà! Feno lainga sy fandozana izy; Tsy ialan-dremby ao aminy.

2. Injany! ny fifiopioky ny karavasy! Ny fikorodondrodon'ny kodia! Ny fikatrokatroky ny soavaly! Ary ny fitraitraiky ny kalesy!

3. He! ny fampiriotry ny mpitaingin-tsoavaly! Akory ny fanelatselatry ny sabatra Sy ny famirapiratry ny lefona! Indrisy ny habetsahan'ny voatrabaka sy ny hamaroan'ny voavono! Tsy hita isa ny faty, Eny, voafingampingan'ny faty ny olona,

4. Noho ny habiazan'ny fijangajangan'ikala janga tsara tarehy, Tompovavin'ny fankatovana, Izay mivarotra firenena amin'ny fijangajangany Sy fokom-pirenena amin'ny fankatovany.

5. Indro, hamely anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; Ary haingaiko ho amin'ny tavanao ny moron-tongotr'akanjonao, Ka hasehoko amin'ny firenena ny fitanjahanao Sy amin'ny fanjakana ny fahamenaranao.

6. Dia hotsipazako loto ianao Ka hataoko tsinontsinona, Eny, hataoko fitalanjonana ianao.

7. Arv izay rehetra mijery anao dia handositra anao Ka hanao hoe: Rava Ninive! Iza no hitomany azy? Aiza no hitadiavako izay hampionona anao ?

8. Tsara noho No-amona va ianao? Ilay nitoetra teo anelanelan'ny ony Ka nohodidinin'ny rano; Ny rano be no rovany, Ary ny rano be koa no mandany;

9. Ny Etiopiana sy ny Egyptiana no heriny, Sady tsy hita lany ireny; Ny Lydiana sy ny Libyana no mpanampy azy.

10. Nefa na izy aza dia lasa, eny, lasan-ko babo; Ny zanany madinika koa notorotoroina teny an-joron-dalambe rehetra eny; Ny olo-malazany nanaovany filokana, Ary ny lehibeny rehetra nogadrana.

Vakio ny toko manontolo Nahoma 3