Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nahoma 2:7-13 Malagasy Bible (MG1865)

7. Vohana ny vavahadin-drenirano, Ary reraka ny lapa.

8. Izao no voatendry: ampitanjahina izy, dia lasan-ko babo, Ary ny ankizivavy mitoloko azy manao feom-boromailala Sady miteha-tratra.

9. Fa Ninive dia tahaka ny farihy hatrizay nisiany; Nefa handositra ihany ireny, Mijanòna, mijanòna e! Nefa tsy misy miherika.

10. Mamaboa volafotsy, Mamaboa volamena! Fa tsy hita lany ny rakitra soa, Dia ny habetsahan'ny fanaka mahafinaritra rehetra.

11. Indrisy! foana, eny, foana sady lao! Kivy ny fo, miady ny lohalika, Manaintaina ny valahany rehetra, Mivaloarika ny tarehiny rehetra.

12. Aiza ilay lavaky ny liona sy firemben'ny liona tanora ? Ilay nandehanan'ny liona sy ny liom-bavy mbamin'ny zana-diona, Ka tsy nisy nanaitaitra azy,

13. Dia ilay liona namotipotika izay ampy ho an'ny zanany Ary nanenda ho an'ny liombaviny Sady nameno haza ny lavany Sy toha ny fonenany. Indro, hamely anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Holevoniko ho setroka ny kalesinao Ary hovonoiko sabatra ny liona tanoranao; Hofonganako amin'ny tany ny hazanao; Ka tsy ho re intsony ny feon'ny irakao.

Vakio ny toko manontolo Nahoma 2