Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nahoma 2:6-11 Malagasy Bible (MG1865)

6. Tsaroany ny lehilahy malazany, Kanjo tafintohina eny am-pandehanana ireny; Mihazakazaka ho any amin'ny manda ireny, Kanjo efa voatsangana sahady ny hamelezana azy.

7. Vohana ny vavahadin-drenirano, Ary reraka ny lapa.

8. Izao no voatendry: ampitanjahina izy, dia lasan-ko babo, Ary ny ankizivavy mitoloko azy manao feom-boromailala Sady miteha-tratra.

9. Fa Ninive dia tahaka ny farihy hatrizay nisiany; Nefa handositra ihany ireny, Mijanòna, mijanòna e! Nefa tsy misy miherika.

10. Mamaboa volafotsy, Mamaboa volamena! Fa tsy hita lany ny rakitra soa, Dia ny habetsahan'ny fanaka mahafinaritra rehetra.

11. Indrisy! foana, eny, foana sady lao! Kivy ny fo, miady ny lohalika, Manaintaina ny valahany rehetra, Mivaloarika ny tarehiny rehetra.

Vakio ny toko manontolo Nahoma 2