Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitsara 5:8-19 Malagasy Bible (MG1865)

8. Nifidy andriamani-baovao ny olona, Ary tamin'izay dia nisy ady hatrany am-bavahady. Moa nisy ampinga na lefona na dia iray akory aza hita va teo amin'ny olona efatra alina tamin'ny Isiraely?

9. Ny foko mankasitraka ny mpanapaka amin'ny Isiraely, izay nazoto nanolo-tena teo amin'ny vahoaka, miderà an'i Jehovah ianareo.

10. Hianareo izay mitaingina borikivavy fotsy, ianareo izay mipetraka amin'ny lamba fitoerana, ary ianareo koa izay mandeha amin'ny lalana, samia milaza.

11. Lavitra ny feon'ny mpandefa zana-tsipìka, dia eo amin'ny fantsakan-drano, no hiresahany ny asa marina nataon'i Jehovah, dia ny fahamarinany tamin'ny tany Isily; Tamin'izany dia nidina ny olon'i Jehovah ho any am-bavahady.

12. Mifohaza, mifohaza, ry Debora; Mifohaza, mifohaza, ka mihirà! Mitsangana, ry Baraka; ento ny babonao, ry zanakalahin'i Abinoama.

13. Tamin'izany dia nidina izay olo-malaza sisa mbamin'ny vahoaka, Jehovah nidina homba ahy koa hamely ny olo-mahery.

14. Ny avy amin'i Efraima, izay miorina amin'i Amaleka, dia nomba anao teo amin'ny firenenao, ry Benjamina; Avy tany Makira no nidinan'ny mpanao lalàna, ary avy tamin'i Zebolona ireo mitana ny tehin'ny mpifehy.

15. Ary ny andrianan'Isakara niaraka tamin'i Debora, dia Isakara sy Baraka koa; Nampandehanina nanaraka azy any an-dohasaha izy. Lehibe ny fiheverana am-po teny amin'ny sakeli-dranon'i Robena!

16. Nahoana ianao no nitoetra teo anelanelan'ny vala, hihainoanao ny feon-tsodina any amin'ny ondry? Lehibe ny fiheverana am-po teny amin'ny sakeli-dranon'i Robena!

17. Gileada nitoetra tany an-dafin'i Jordana; Ary nahoana Dana no nitoetra tany an-tsambo? Asera nitoetra tany amoron-dranomasina, Ary teny amin'ny fitodiany no nipetrahany.

18. Zebolona dia firenena nanao tsinontsinona ny ainy, na dia ho faty aza, Ary Naftaly koa teo amin'ny fitoerana avo any an-tsaha.

19. Tonga ireo mpanjaka ka niady, eny, niady tao Tanaka ireo mpanjakan'i Kanana, dia teo anilan'ny ranon'i Megido; Tsy nisy volafotsy azony ho babo.

Vakio ny toko manontolo Mpitsara 5