Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitsara 5:25-30 Malagasy Bible (MG1865)

25. Rano no nangatahin-dralehilahy, fa ronono aza no nomeny azy; Teo an-dovian'andriana no nitondrany rononomandry.

26. Ny tànany nandray ny tsima-day, Ary ny tànany ankavanana nandray ny tantanan'ny mpiasa, dia namely an'i Sisera tamin'ny tantanana izy ka nahavoa ny lohany; Namely mafy izy, dia nahaboroaka ny fihirifany.

27. Teo amin'ny tongo-dravehivavy no niondrehany nahalavoany niamparany, eny, teo amin'ny tongony no niondrehany nahalavoany teo amin'izay niondrehany no niamparan'ny fatiny.

28. Tao amin'ny varavarankely no nitsirihan'ny renin'i Sisera ka niantsoantsoany mafy; Eny, niantso tao amin'ny makarakara izy hoe: Nahoana no ela izato kalesiny vao tonga? Nahoana no mitaredretra ny kodian'ny kalesiny?

29. Izay hendry tamin'ny andriambaviny no namaly azy, eny, ny tenany aza namaly hoe:

30. Tsy efa mahita va izy? Tsy mizara babo va izy? Dia zazavavy iray na roa ho an'ny isan-dahy, Ary lamba samy hafa volo ho babon'i Sisera, Lamba roa samy hafa soratra ho eo am-bozon'ny nahazo babo.

Vakio ny toko manontolo Mpitsara 5