Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitsara 3:7-22 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ny Zanak'Isiraely ka nanadino an'i Jehovah Andriamaniny ary nanompo ireo Bala sy Aseraha.

8. Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan'i Kosan-risataima, mpanjakan'i Mesopotamia, Izy; dia nanompo an'i Kosan-risataima valo taona ny Zanak'Isiraely.

9. Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, ary Jehovah nanangana mpamonjy ho an'ny Zanak'Isiraely, izay namonjy azy, dia Otniela, zanakalahin'i Kenaza, zandrin'i Kaleba.

10. Ary ny Fanahin'i Jehovah no tao aminy, dia nitsara ny Isiraely izy sady nivoaka hiady; ary Kosan-risataima, mpanjakan'i Mesopotamia, dia natolotr'i Jehovah teo an-tànany; ary nahery ny tànany ka namely an'i Kosan-risataima.

11. Dia nandry ny tany efa-polo taona. Ary maty Otniela, zanak'i Kenaza.

12. Fa nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray ny zanak'Isiraely ary i Jehovah nampahery an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, hiady amin'ny Isiraely, satria nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy.

13. Dia nampiangona ny taranak'i Amona sy Amaleka ho any aminy izy, ary nandeha izy ireo ka namely ny Isiraely, dia nahafaka ny tanàna be rofia.

14. Dia nanompo an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, valo ambin'ny folo taona ny Zanak'Isiraely.

15. Ary nitaraina tamin'i Jehovah izy, dia nanangana mpamonjy ho azy Jehovah, dia Ehoda, zanak'i Gera, avy amin'ny taranak'i Benjamina, lehilahy kavia; dia nampitondra azy fanomezana ho an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, ny Zanak'Isiraely.

16. Ary nanao sabatra roa lela Ehoda, hakiho ny halavany; dia nataony tao amin'ny fehin-kibony ambanin'ny akanjo fiadiany izany, teny am-balahany ankavanana.

17. Dia nitondra ny fanomezana ho an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, izy; ary lehilahy matavibe Eglona.

18. Ary rehefa vitany ny nanolorana ny fanomezana, dia nampodiny ny olona izay nitondra izany.

19. Fa nony tonga teo amin'ny fihadiam-bato izay any Gilgala kosa izy, dia niverina ka nanao hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka ô. Dia hoy kosa izy: Mialà kely ianareo, rizareo. Ary izay rehetra nitsangana teo anoloany dia niala teo aminy.

20. Ary Ehoda nanatona azy, raha nipetraka irery tao an-tilikambony fihatsiatsiahana izy. Dia hoy Ehoda: Misy teny avy amin'Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana niala tamin'ny seza fiandrianana Eglona.

21. Ary naninjitra ny tànany ankavia Ehoda ka nandray ny sabatra teny am-balahany ankavanana, dia natsatony tamin'ny kibon'i Eglona izany;

22. ary difotra mbamin'ny zarany, ka voasaron'ny taviny ny lelan-tsabatra, ka dia tsy nanatsoaka ny sabatra tamin'ny kibony izy; ary niboroaka teo amin'ny vodiny izany.

Vakio ny toko manontolo Mpitsara 3