Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitsara 20:25-34 Malagasy Bible (MG1865)

25. Dia nivoaka avy tany Gibea ny Benjamita hiady aminy indray tamin'ny andro faharoa ka naharingana ny Zanak'Isiraely valo arivo sy iray alin-dahy niampatrampatra tamin'ny tany; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.

26. Dia niakatra ny Zanak'Isiraely rehetra sy ny olona rehetra ka nankany Betela, dia nitomany sy nipetraka teo anatrehan'i Jehovah ary nifady hanina tamin'izany andro izany mandra-paharivan'ny andro; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah izy.

27. Dia nanontany tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely (fa tao ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra tamin'izany andro izany,

28. ary Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona, nijanona teo anoloany tamin'izany andro izany) ka nanao hoe: Mbola hivoaka indray va aho hiady amin'ny taranak'i Benjamina rahalahiko, sa hitsahatra? Ary hoy Jehovah: Miakara, fa rahampitso dia hatolotro ho eo an-tananao izy.

29. Ary nasian'ny Isiraely otrika manodidina an'i Gibea.

30. Dia niakatra ny Zanak'Isiraely tamin'ny andro fahatelo hiady amin'ny taranak'i Benjamina ka nilahatra tandrifin'i Gibea tahaka ilay teo aloha ihany.

31. Dia nivoaka ny taranak'i Benjamina hiady tamin'ny olona ka voatarika niala tamin'ny tanàna izy ary nanomboka namely sy nahafaty ny olona tahaka ny teo aloha, dia tokony ho telo-polo lahy teo amin'ny Isiraely tany an-tsampanan-dalana, miakatra ho any Betela ny anankiray, ary ny anankiray kosa ho any Gibea any an-tsaha.

32. Ary hoy ny taranak'i Benjamina: Resy eo anoloantsika tahaka ilay teo aloha ihany izy. Fa hoy ny Zanak'Isiraely: Andeha hanao tari-dositra isika mba hampiala azy amin'ny tanàna ho any an-dalambe.

33. Ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely nitsangana niala tamin'ny fitoerany ka nilahatra tany Bala-tamara; ary ny Isiraely izay nanotrika dia niroatra avy tamin'fitoerany, avy tao an-tsahan'i Gibea.

34. Ary tonga tandrifin'i Gibea ny iray alin-dahy voafantina tamin'ny Isiraely rehetra, ary efa mafy ny ady nefa tsy fantatry ny Benjamita fa efa hiharan-doza izy.

Vakio ny toko manontolo Mpitsara 20