Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitsara 20:14-28 Malagasy Bible (MG1865)

14. Ary nivory ny taranak'i Benjamina avy tamin'ny tanànany rehetra hankany Gibea mba handeha hiady amin'ny Zanak'Isiraely.

15. Dia voalamina tamin'izany andro izany ny taranak'i Benjamina avy tamin'ireo tanàna ireo, ka enina arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra, afa-tsy ny mponina tao Gibea izay voalamina, dia fiton-jato lahy voafantina.

16. Ary teo amin'izany olona rehetra izany nisy olona kavia fiton-jato lahy nofantenany, samy nahay nitoraka tamin'ny antsamotady, ka tsy nisy nivena na dia hoatra ny singam-bolo aza.

17. Ary ny lehilahy voalamina tamin'ny Isiraely, afa-tsy ny Benjamina, dia efatra hetsy nahatan-tsabatra; mpanafika avokoa ireo rehetra ireo.

18. Dia niainga ny Zanak'Isiraely ka niakatra tany Betela ary nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin'ny taranak'i Benjamina ho anay? Dia hoy Jehovah: Joda no ho voalohany.

19. Dia niainga maraina koa ny Zanak'Isiraely ka nitoby tandrifin'i Gibea.

20. Ary nivoaka ny lehilahy amin'ny Isiraely hiady amin'ny Benjamita; ary nilahatra ny lehilahy amin'ny Isiraely hiady aminy tao akaiky an'i Gibea.

21. Ary nivoaka avy tany Gibea kosa ny taranak'i Benjamina ka naharingana ny Zanak'Isiraely roa arivo sy roa alin-dahy niampatrampatra tamin'ny tany tamin'izany andro izany.

22. Fa nifanome toky ny lehilahy amin'ny Isiraely ka nilahatra hiady indray teo amin'ilay nilaharany tamin'ny andro voalohany.

23. Ary niakatra ny Zanak'Isiraely ka nitomany teo anatrehan'i Jehovah mandra-paharivan'ny andro, dia nanontany tamin'i Jehovah hoe: Handroso indray va aho hiady amin'ny taranak'i Benjamina rahalahiko? Ary hoy Jehovah: Miakara hiady aminy.)

24. Ary ny Zanak'Isiraely dia nandroso tamin'ny andro faharoa hiady amin'ny taranak'i Benjamina.

25. Dia nivoaka avy tany Gibea ny Benjamita hiady aminy indray tamin'ny andro faharoa ka naharingana ny Zanak'Isiraely valo arivo sy iray alin-dahy niampatrampatra tamin'ny tany; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.

26. Dia niakatra ny Zanak'Isiraely rehetra sy ny olona rehetra ka nankany Betela, dia nitomany sy nipetraka teo anatrehan'i Jehovah ary nifady hanina tamin'izany andro izany mandra-paharivan'ny andro; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah izy.

27. Dia nanontany tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely (fa tao ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra tamin'izany andro izany,

28. ary Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona, nijanona teo anoloany tamin'izany andro izany) ka nanao hoe: Mbola hivoaka indray va aho hiady amin'ny taranak'i Benjamina rahalahiko, sa hitsahatra? Ary hoy Jehovah: Miakara, fa rahampitso dia hatolotro ho eo an-tananao izy.

Vakio ny toko manontolo Mpitsara 20