Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitsara 20:12-19 Malagasy Bible (MG1865)

12. Ary ny firenen'Isiraely dia naniraka olona tany amin'ny firenen'i Benjamina rehetra hanao hoe: Inona izao ratsy natao teto aminareo izao?

13. Koa ankehitriny atolory anay ireo olona tena ratsy fanahy avy any Gibea ireo, mba hataonay maty izy, ka hesorinay tsy ho eo amin'ny Isiraely ny ratsy. Fa ny taranak'i Benjamina tsy nety nihaino ny feon'ny Zanak'Isiraely rahalahiny.

14. Ary nivory ny taranak'i Benjamina avy tamin'ny tanànany rehetra hankany Gibea mba handeha hiady amin'ny Zanak'Isiraely.

15. Dia voalamina tamin'izany andro izany ny taranak'i Benjamina avy tamin'ireo tanàna ireo, ka enina arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra, afa-tsy ny mponina tao Gibea izay voalamina, dia fiton-jato lahy voafantina.

16. Ary teo amin'izany olona rehetra izany nisy olona kavia fiton-jato lahy nofantenany, samy nahay nitoraka tamin'ny antsamotady, ka tsy nisy nivena na dia hoatra ny singam-bolo aza.

17. Ary ny lehilahy voalamina tamin'ny Isiraely, afa-tsy ny Benjamina, dia efatra hetsy nahatan-tsabatra; mpanafika avokoa ireo rehetra ireo.

18. Dia niainga ny Zanak'Isiraely ka niakatra tany Betela ary nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin'ny taranak'i Benjamina ho anay? Dia hoy Jehovah: Joda no ho voalohany.

19. Dia niainga maraina koa ny Zanak'Isiraely ka nitoby tandrifin'i Gibea.

Vakio ny toko manontolo Mpitsara 20