Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitsara 19:1-13 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tamin'izany andro izany, raha tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely, dia nisy Levita anankiray nivahiny tary an-tsisin'ny tany havoan'i Efraima, ka naka vaditsindrano avy any Betlehema-joda.

2. Ary ny vaditsindranony nijangajanga sy nisintaka taminy ka nandao azy ary nankany an-tranon-drainy any Betlehema-joda, dia nitoetra tao efa-bolana mipaka.

3. Ary niainga ralehilahy ka nandeha nanaraka azy hanao teny malefaka taminy hampody azy ary nitondra ny zatovony sy boriky roa; dia nampiantranoin-dravehivavy ho ao an-tranon-drainy izy, ka nony hitan'ny rain-drazazavavy ralehilahy, dia faly izy nihaona taminy.

4. Ary nihazona azy ny rafozany, rain-drazazavavy, ka nitoetra teo aminy hateloana izy, dia nihinana sy nisotro ary nandry tao izy roa lahy.

5. Ary nony tamin'ny andro fahefatra, dia nifoha maraina koa izy ka niomana handeha; fa hoy ny rain-drazazavavy tamin'ny vinantony: Aoka aloha mba hanao ody am-bavafo kely ianao, ary rehefa afaka izany, dia handeha ianareo.

6. Dia nipetraka izy roa lahy ka niara-nihinana sy nisotro; dia hoy ny rain-drazazavavy tamin-dralehilahy: Mba maneke ny handry eto anio alina, ary aoka ho faly ny fonao.

7. Ary raha niomana handeha ralehilahy, dia nanery azy hitoetra ny rafozany, ka dia tafandriana tao indray izy.

8. Dia nifoha maraina koa izy handeha nony tamin'ny andro fahadimy; fa hoy ny rain-drazavazavy: Aoka mba hanao ody am-bavafo kely ianao, ary mijanonjanona aloha mandra-pihilan'ny andro; ary dia niara-nihinana izy roa lahy.

9. Ary raha niainga handeha ralehilahy sy ny vaditsindranony ary ny ankizilahiny, dia hoy ny rafozany, rain-drazazavavy, taminy Indro, efa ho hariva ny andro izao, koa masìna ianao, mandria re anio alina; indro, efa hilentika ny masoandro, ka mandria eto, mba hifalian'ny fonao; ary rahampitso dia hifoha maraina koa ianareo, ka handeha hody ianao.

10. Fa tsy nety nijanona intsony ralehilahy tamin'izany alina izany, fa niainga ihany izy ka nandeha, dia tonga tandrifin'i Jebosa (Jerosalema izany); ary boriky roa samy voaisy lasely no nentiny, ary ny vaditsindranony niaraka taminy koa.

11. Ary rehefa mby teo akaiky an'i Jebosa izy, ka efa ho hariva ny andro, dia hoy ny zatovo tamin'ny tompony: Andeha hiakatra ato amin'ity tanànan'ny Jebosita ity isika ka handry ato.

12. Fa hoy ny tompony taminy: Tsy hiakatra amin'ny tanànan'ny olona hafa firenena izay tsy isan'ny Zanak'Isiraely isika, fa handroso ihany ho any Gibea.

13. Ary hoy izy tamin'ny zatovony: Andeha isika hankamin'ny anankiray amin'ireto tanàna ireto, dia any Gibea, na any Rama, ka handry any.

Vakio ny toko manontolo Mpitsara 19