Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitsara 14:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Samsona nidina nankany Timna ka nahita vehivavy tao avy amin'ny zanakavavin'ny Filistina.

2. Ary niakatra izy, dia nilaza tamin-drainy sy reniny hoe: Efa nahita vehivavy tany Timna avy amin'ny zanakavavin'ny Filistina aho; koa alao ho vadiko izy ankehitriny.

3. Fa hoy ny rainy sy ny reniny taminy: Moa tsy misy vehivavy va eto amin'ny zana-kavanao, na ato amin'ny firesako rehetra, no dia mandeha maka vady any amin'ny Filistina tsy mifora ianao? Dia hoy Samsona tamin-drainy: Izy ihany no alao ho ahy, fa izy no mahafinaritra ahy.

4. Fa tsy fantatry ny rainy sy ny reniny fa avy tamin'i Jehovah izany, satria nitady izay hiadiany tamin'ny Filistina Izy; fa tamin'izany andro izany ny Filistina no nanapaka ny Isiraely.

5. Dia nidina Samsona sy ny rainy aman-dreniny nankany Timna. Ary nony tonga tao amin'ny tanim-boaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora nierona taminy.

Vakio ny toko manontolo Mpitsara 14