Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitsara 11:4-18 Malagasy Bible (MG1865)

4. Ary nony ela, dia nanafika ny Zanak'Isiraely ny taranak'i Amona.

5. Ary rehefa nanafika ny Isiraely ny taranak'i Amona, dia nandeha ny loholon'i Gileada haka an'i Jefta hiala any amin'ny tany Toba.

6. Ary hoy izy ireo taminy: Avia ho mpitarika anay ianao, hiadiantsika amin'ny taranak'i Amona.

7. Fa hoy Jefta tamin'ny loholon'i Gileada: Tsy efa nankahala ahy va ianareo ka nandroaka ahy hiala tao an-tranon'ny raiko? Koa nahoana no mankaty amiko indray ianareo ankehitriny, nony azom-pahoriana?

8. Dia hoy ny loholon'i Gileada tamin'i Jefta: Izany no iverenanay atỳ aminao ankehitriny, mba handehananao miaraka aminay, sy hiadianao amin'ny taranak'i Amona, ka dia ho lohany aminay mponina rehetra any Gileada ianao.

9. Dia hoy Jefta tamin'ny loholon'i Gileada: Raha ho entinareo mody indray aho mba hiady amin'ny taranak'i Amona, ka hatolotr'i Jehovah eo anoloako ireny, dia izaho hoe no ho lohany aminareo?

10. Dia hoy ny loholon'i Gileada tamin'i Jefta: Jehovah no ho vavolombelona amintsika, raha tsy hataonay araka izany teninao izany.

11. Dia nandeha Jefta niaraka tamin'ny loholon'i Gileada, ka dia nasandratry ny vahoaka ho lohany sy ho mpitarika azy izy; ary Jefta nilaza ny teniny rehetra teo anatrehan'i Jehovah tao Mizpa.

12. Dia naniraka olona Jefta nankamin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, no tonga atỳ amiko hiady amin'ny taniko ianao?

13. Dia hoy ny mpanjakan'ny taranak'i Amona tamin'ny irak'i Jefta: Satria nalain'ny Isiraely ny taniko hatrany Arnona ka hatrany Jaboka ary hatrany Jordana, fony niakatra avy tany Egypta izy; koa avereno amin'ny fihavanana ary izany ankehitriny.

14. Ary Jefta naniraka olona indray nankany amin'ny mpanakan'ny taranak'i Amona

15. ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jefta: Ny Isiraely tsy naka ny tanin'i Moaba na ny tanin'ny taranak'i Amona.

16. Fa fony niakatra avy tany Egypta ny Isiraely, dia nandeha nitety ny efitra hatramin'ny Ranomasina Mena izy ka tonga tany Kadesy.

17. Dia naniraka olona ny Isiraely nankany amin'ny mpanjakan'i Edoma ka nanao hoe: Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; fa tsy nety nihaino izany ny mpanjakan'i Edoma. Ary naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Moaba koa izy; fa tsy nety koa izy; dia nitoetra tany Kadesy ny Isiraely.

18. Dia nandeha nitety ny efitra izy ka nanodidina ny tany Edoma sy ny tany Moaba, dia tonga teo atsinanan'i Moaba, ka nitoby teo an-dafin'i Arnona, fa tsy niditra teo anatin'ny faritanin'i Moaba; fa Arnona no fari-tanin'i Moaba.

Vakio ny toko manontolo Mpitsara 11