Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitsara 11:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Jefta Gileadita dia lehilahy mahery sy zanaky ny vehivavy janga; ary Gileada no rainy niteraka azy.

2. Ary ny vadin'i Gileada dia niteraka zazalahy maro taminy; ary nony efa lehibe ireo zana-badiny ireo, dia nandroaka an'i Jefta ka nanao taminy hoe: Tsy handova eto amin'ny taranaky ny rainay ianao, fa zanaky ny vehivavy hafa.

3. Ary Jefta nandositra ny rahalahiny ka nonina tany amin'ny tany Toba; dia nisy olom-poana nivory teo amin'i Jefta ka niaraka taminy.

4. Ary nony ela, dia nanafika ny Zanak'Isiraely ny taranak'i Amona.

Vakio ny toko manontolo Mpitsara 11