Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitoriteny 8:12-17 Malagasy Bible (MG1865)

12. Eny, fa na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa ho an'izay matahotra an'Andriamanitra, dia izay matahotra eo anatrehany.

13. Fa tsy hisy soa ho an'ny ratsy fanahy; fa ho toy ny aloka izy ka tsy haharitra ela, satria tsy matahotra eo anatrehan'Andriamanitra.

14. Izao koa no zava-poana izay atao atỳ ambonin'ny tany: Misy olo-marina iharan'izay tokony ho valin'ny asa ratsy; ary misy olo-meloka mahazo izay tokony ho valin'ny asa marina; hoy izaho: Zava-poana koa izany.

15. Dia noderaiko ny fifaliana, satria tsy misy mahasoa ny olona atỳ ambanin'ny masoandro afa-tsy ny mihinana sy ny misotro ary ny miravoravo, ka hisy izany amin'ny fisasarany mandritra ny andro hiainany, izay nomen'Andriamanitra azy atỳ ambanin'ny masoandro.

16. Raha nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahita ny raharaha atao atỳ ambonin'ny tany (fa misy tsy mahita torimaso na andro na alina),

17. dia hitako avokoa ny asan'Andriamanitra, fa tsy takatry ny sain'ny olona ny asa atao atỳ ambanin'ny masoandro; koa na dia mikely aina hitady izany aza ny olona, tsy ho hitany; eny, na ny hendry aza no manao hahafantatra izany, dia tsy ho azony fantarina akory.

Vakio ny toko manontolo Mpitoriteny 8