Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitoriteny 8:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Iza no toy ny hendry? Ary iza no mahalala izay anton-javatra? Ny fahendren'ny olona mahamiramirana ny tarehiny, ary voaova ny fahadontoan'ny endriny.

2. Hoy izaho: Tandremo ny didin'ny mpanjaka noho ny efa nianianana tamin'Andriamanitra.

3. Aza malaky miala eo anatrehany; aza mikikitra amin'ny fanaovan-dratsy; fa na inona na inona sitrany dia azony atao avokoa;

4. fa ny tenin'ny mpanjaka dia misy hery, ka iza no mahazo manao aminy hoe: Inona no ataonao?

5. Izay mitandrina ny didy tsy mba mikambana amin'ny fanaovan-dratsy; ary ny fon'ny hendry dia mahalala fotoana sy fitsarana;

6. fa samy manana ny fotoany sy ny fitsarana azy avy ny hevitra rehetra, satria efa be ny heloky ny olona.

7. Fa tsy mahafantatra izay ho avy izy; fa iza no hampahafantatra azy izay hihaviany?

8. Tsy misy olona manan-kery hahatana ny ainy, na manan-kery ny amin'ny andro hahafatesana; ary tsy misy fahafahana amin'ny ady, ary ny ratsy fanahy tsy ho voavonjin'ny faharatsiany.

9. Izany rehetra izany dia efa hitako avokoa tamin'ny nampiasako ny foko nandinika ny asa rehetra atao atỳ ambanin'ny masoandro. Misy andro anapahan'ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.

10. Ary tamin'izany dia hitako ny ratsy fanahy nalevina ka tafiditra; fa izay nanao ny marina kosa dia lasa niala tamin'ny fitoeran'ny masina ka nohadinoina tao an-tanàna; zava-poana koa izany.

Vakio ny toko manontolo Mpitoriteny 8