Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitoriteny 7:7-19 Malagasy Bible (MG1865)

7. Fa ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry; ary ny kolikoly mahasimba ny fo.

8. Tsara ny iafaran'ny raharaha noho ny iandohany; tsara ny mahari-po noho ny miavanavom-panahy.

9. Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran'ny adala.

10. Aza manao hoe: Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny? fa tsy avy amin'ny fahendrena no anontanianao izany.

11. Tsara tahaka ny lova ny fahendrena, sady zava-mahasoa ho an'izay mahita masoandro izany.

12. Fa fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain'ny manana azy ny fahendrena.

13. Saino ny asan'Andriamanitra; fa iza moa no mahahitsy izay nataony ho meloka?

14. Amin'ny andro mahafaly dia mifalia; ary amin'ny andro mahory mieritrereta; fa nampitanandrifin'Andriamanitra ireo, mba tsy hahitan'ny olona akory izay ho avy any aoriany.

15. Izao rehetra izao dia efa hitako tamin'ny androko mandalo foana: misy marina maty amin'ny hamarinany; ary misy meloka ela velona amin'ny haratsiany.

16. Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana noho simbanao ny tenanao?

17. Aza ratsy loatra ianao, ary aza adala; nahoana no ho faty ianao, raha tsy efa tonga ny andronao?

18. Tsara raha mitana iroa ianao, nefa aza mampiala ny tananao amin'itsy; fa izay matahotra an'Andriamanitra dia ho afaka amin'izany rehetra izany.

19. Ny fahendrena no maharo ny hendry mihoatra noho ny mpanapaka folo ao an-tanàna.

Vakio ny toko manontolo Mpitoriteny 7