Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitoriteny 7:1-17 Malagasy Bible (MG1865)

1. Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra; ary ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana.

2. Tsara ny mankamin'ny trano misy fisaonana noho ny mankamin'ny trano misy fanasana; fa ho amin'iny no hiafaran'ny olombelona rehetra, ary ny velona handatsaka am-po izany.

3. Tsara ny alahelo noho ny hehy; fa na dia malahelo aza ny tarehy, mety tsara ihany ny fo.

4. Ny fon'ny hendry dia ao amin'ny trano misy fisaonana; fa ny fon'ny adala kosa dia ao amin'ny trano misy fifaliana.

5. Tsara ny mihaino ny anatra mafy ataon'ny hendry noho ny mihaino ny hiran'ny adala.

6. Toy ny firefodrefotry ny tsilo eo ambanin'ny vilany, dia tahaka izany ny fihomehezan'ny adala; zava-poana koa izany.

7. Fa ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry; ary ny kolikoly mahasimba ny fo.

8. Tsara ny iafaran'ny raharaha noho ny iandohany; tsara ny mahari-po noho ny miavanavom-panahy.

9. Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran'ny adala.

10. Aza manao hoe: Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny? fa tsy avy amin'ny fahendrena no anontanianao izany.

11. Tsara tahaka ny lova ny fahendrena, sady zava-mahasoa ho an'izay mahita masoandro izany.

12. Fa fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain'ny manana azy ny fahendrena.

13. Saino ny asan'Andriamanitra; fa iza moa no mahahitsy izay nataony ho meloka?

14. Amin'ny andro mahafaly dia mifalia; ary amin'ny andro mahory mieritrereta; fa nampitanandrifin'Andriamanitra ireo, mba tsy hahitan'ny olona akory izay ho avy any aoriany.

15. Izao rehetra izao dia efa hitako tamin'ny androko mandalo foana: misy marina maty amin'ny hamarinany; ary misy meloka ela velona amin'ny haratsiany.

16. Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana noho simbanao ny tenanao?

17. Aza ratsy loatra ianao, ary aza adala; nahoana no ho faty ianao, raha tsy efa tonga ny andronao?

Vakio ny toko manontolo Mpitoriteny 7