3. nefa tsara indray noho izy roa tonta aza ny tsy ary, izay tsy nahita ny ratsy atao atỳ ambanin'ny masoandro akory.
4. Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin'ny fifampialonan'ny olona izany. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
5. Ny adala manohon-tanana ka homana ny tenany.
6. Tsara ny eran-tànan'ila misy fiadanana noho ny eran-tànan-droa misy fisasarana sady misambo-drivotra foana.
7. Ary izao koa no zava-poana hitako atỳ ambanin'ny masoandro:
8. Misy mitoetra irery ka tsy mana-namana, eny, tsy manan-janaka na rahalahy aza, nefa tsy misy farany ny fisasarany rehetra, ary ny masony tsy afa-po amin'ny harena, hanaovany hoe: Ho an'iza no isasarako sy tsy ampananako soa ny fanahiko? Zava-poana sy asa mahareraka koa izany.
9. Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany.
10. Raha misy lavo izy, dia arenin'ny namany; fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy.
11. Ary koa, raha miara-mandry ny roa, dia mafana izy; fa hatao ahoana no hampahafana ny irery?
12. Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony tsy akory; ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina.
13. Aleo zatovo malahelo hendry toy izay mpanjaka antitra adala ka tsy laitra anarina intsony;