Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitoriteny 4:2-10 Malagasy Bible (MG1865)

2. Ary ny maty izay efa maty ela dia nataoko ho sambatra noho ny velona izay mbola velona,

3. nefa tsara indray noho izy roa tonta aza ny tsy ary, izay tsy nahita ny ratsy atao atỳ ambanin'ny masoandro akory.

4. Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin'ny fifampialonan'ny olona izany. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.

5. Ny adala manohon-tanana ka homana ny tenany.

6. Tsara ny eran-tànan'ila misy fiadanana noho ny eran-tànan-droa misy fisasarana sady misambo-drivotra foana.

7. Ary izao koa no zava-poana hitako atỳ ambanin'ny masoandro:

8. Misy mitoetra irery ka tsy mana-namana, eny, tsy manan-janaka na rahalahy aza, nefa tsy misy farany ny fisasarany rehetra, ary ny masony tsy afa-po amin'ny harena, hanaovany hoe: Ho an'iza no isasarako sy tsy ampananako soa ny fanahiko? Zava-poana sy asa mahareraka koa izany.

9. Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany.

10. Raha misy lavo izy, dia arenin'ny namany; fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy.

Vakio ny toko manontolo Mpitoriteny 4