Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitoriteny 2:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Hoy izaho anakampo: Aoka mba hizahako toetra amin'ny hafaliana ianao, ka dia mifalia amin'ny fahitana ny fahafinaretana; kanjo, indro, zava-poana koa izany.

2. Hoy izaho, miantso ny fihomehezana: Fahadalana, ary ny fifaliana hoe: Mahefa inona?

3. Nisaina tato am-poko hamalifaly ny nofoko tamin'ny divay aho (ny foko anefa mbola hitondra azy amin'ny fahendrena ihany) ary hitana ny fahadalana, mandra-pahitako izay tsara ho an'ny zanak'olombelona ka tokony hataony atỳ ambanin'ny lanitra amin'ny andro vitsy iainany.

4. Nanao asa lehibe ho ahy aho, nanao trano, nanao tanim-boaloboka,

5. nanao tanimboly sy saha aho ka namboly hazo fihinam-boa samy hafa karazana tao;

6. nanao kamory aho handemana ny ala be zana-kazo;

7. nahazo ankizilahy sy ankizivavy aho sady nanana ompikely; ary nanana fananana be aho, dia omby sy ondry aman'osy mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema.

8. Nihary volafotsy sy volamena koa aho ary fanaka tsara fananan'ny mpanjaka sy izay avy amin'ny tany samy hafa; ary nahazo mpihiralahy sy mpihiravavy aho mbamin'izay mahafinaritra ny zanak'olombelona, dia vady sy vaditsindrano betsaka.

9. Dia efa nisandratra mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema aho; ary ny fahendreko anefa dia mbola tato amiko ihany.

10. Ary na inona na inona nirin'ny masoko dia tsy nisy narovako taminy; tsy nisakana ny foko tamin'izay mety ho fifaliana aho; fa nahazo hafaliana avy tamin'ny fisasarako rehetra ny foko; ary izany no anjarako avy tamin'ny fisasarako rehetra.

Vakio ny toko manontolo Mpitoriteny 2