Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitoriteny 11:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Atsipazo eny ambonin'ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela.

2. Samy omeo anjara ny fito, ary na dia ny valo aza, fa tsy fantatrao izay fahoriana hanjo atỳ ambonin'ny tany.

3. Raha feno ranonorana ny rahona, dia halatsany amin'ny tany izany; ary na mianjera mianatsimo na mianavaratra ny hazo, dia eo amin'izay ianjerany ihany no handriany.

4. Izay fatra-pihevitra ny rivotra tsy hamafy, ary izay manahy ny rahona tsy hijinja.

5. Toy ny tsy ahafantaranao ny amin'ny alehan'ny rivotra, na ny amin'ny fitombon'ny taolana ao an-kibon'izay manan'anaka, dia toy izany no tsy ahafantaranao ny asan'Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra.

6. Amin'ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin'ny hariva dia aza atsahatra ny tananao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta.

Vakio ny toko manontolo Mpitoriteny 11